MAIMAIMPOANA NY FAMONJENA

paquet-cadeau-tendu-dans-deux-mains

Efesiana 1 : 3-7  3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,5 rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy [Na: amin’ ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika] amin’ ny fananganan-anaka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.7 Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany

 Maimaimpoana ny filazantsara. Tsy voavidim-bola amin-karena, tsy hay sandaina fa lafo be, lafo loatra, ary tsy ho voavidin’iza n’iza, tsy ho voavidy na amin’inona na amin’inona, na oviana na oviana. Ka izay no nanaovana azy ho FANOMEZANA, ho FAHASOAVANA ary tsy afaka ampian’ny ezaka na asantsika olombelona.

1Petera 1 : « 18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,19 fa ny rà soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina ». Tsy ny fanomezana vola any am-piangonana na hoe fanaovana fanatitra (na rakitra no filazantsika azy), tsy fandoavana vola amin’ny adidy amin’ny sampana maro isan-karazany, ny fanomezana vola ho an’ny mpanompon’Andriamanitra toy ny hoe Réverend, bishop, apostoly, mpaminany, pasitera, evanjelistra, mpampianatra,….no ahazoana famonjena, no hisokafan’ny lanitra,  ihazonana ny famonjena, ahazoana fitahiana, hivahan’ny olana. TSIA dia TSIA, sanatria izany. Hevi-diso izay miendrika faniratsirana an’Andriamanitra izany. Maro ireo milaza ho mpanompon’Andriamanitra no mampianatra olona ary mivohy hevitra sahala amin’izany ary vohizina mafy mihitsy mba ahatonga ny olona hanome vola. Tonga hatrany amin’ny fandrahonana, fampitahorana, ary fanozonana mihitsy aza rehefa tsy manefa ny adidiny, tsy manome vola atao rakitra, atao fanatitra ilay olona, ilay « ondry », ilay mpiara mivavaka ao am-piangonana. Tsy raharahahiana, tezerana ary ahilika satria tsy mahaliana intsony, tsy mahaliana satria tsy manome vola, tsy maha tolotolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, lazaina hoe fanatritra an’Andriamanitra kanefa dia tsy ho an’Andriamanitra velively fa ho an’ny mpitarika fivavahana. Ny fitiavam-bola no fototry izany. Akaiky ny farany, antomotra ny andro. Izao fotoana izao ilay voalazan’i Paoly ao amin’ny Timoty hoe « andro maha ory », fa ny olona dia tia tena, tia vola (2 Timoty 3 :2)…..Anisan’ny manamarina, na koa marika mampiseho ny fahatanterahan’izany faminaniana izany ny fiforon’antokom-pivavahana  maro, izay mifototra amin’ny resaka vola, resaka zavatry ny tany, ny haren’ny tany, izay filazantsara tsy an’i Jesosy Kristy fa hosoka, saritsariny satria ny an’i Jesosy Kristy dia filazantsara mifantoka Aminy, misaina ny zavatra any ambony fa tsy ny ety an-tany. Maro ny misora tena, manono tena ho nantsoin’ny Tompo, nofohazin’ny Tompo, ary hirahin’ny Tompo hanambara ny hafany. Dia maniry dia maniry ohatran’ny anana hoy ny fiteny ny pastera, lehilahin’Andriamanitra,sns.. mamory olona, ary dia manangana anaram-piangonana mba ampahalaza azy. Misy ny milaza fa maty dia nentin’ny Tompo tany amin’ny helo , dia nentiny tany an-danitra dia naveriny ety an-tany hitory…Fa rehefa tonga avy any dia hevitra maro, foto kevitra maro TSY ARA BAIBOLY no vohizina. Milaza fa hamaha ny olona nefa toa rehefa zohina dia ny mifanohitra amin’izay ny hetsika atao, lasa tsy mamaha ny olona fa vao maika mamatotra, mangeja, manandevo ny olona ho eo aminy. Tsy entiny eo amin’i Jesosy fa entiny eo aminy hanompo azy. Tsy afaka ho entiny eo amin’i Jesosy satria na izy tenany aza tsy mbola mahalala izay Jesosy marina. Ny ambadiky ireo rehetra ireo dia tetika ahazoana vola an-kolaka. Hivavaka ho an’ny olona, hitory teny ho an’ny olona, hamangy olona, hanao batisa olona, hanao “délivrance” olona, hampahery olona sy ny asa samihafa fa ao ambadiky izay dia misy tambiny, izay tsy inona fa VOLA na fitaovana hafa , fitaovana ara-materialy, mitaky tambiny, mitaky faha folo karena, mitaky vola, fiara, trano,… . Mazava ho azy fa fanahin’i Mamona no ao aminy matoa izany voa izany no hita. Ary tohanana amin’ny andinin tsoratra masina maro (izay mivoaka, mivoana amin’ny heviny fototra) ny fitakiany vola toy ny hoe “ny mpiasa mendrika ahazo ny vokatra”, “izay mitory ny filazantsara dia velomin’ny filazantsara”, “aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary”, “izay ampianarina aoka ahafoy zava tsoa ho an’ny mampianatra”,sns…

 

  • “Ny mpiasa dia mendrika ahazo ny haniny” Mat 10:10 Lio 10:7

Raha jerentsika ny fotoana, ny zava nisy nilazan’i Jesosy an’io teny io dia tamin’Izy naniraka ny mpianatra hitory. Nanafatra Izy ny ihinanan’ny mpianatra izay sakafo rehetra aroso azy ireo ao amin’izay olona mampandroso azy (ny sakafo no karamany). Izany hoe ilay mendrika ahazo ny haniny, dia izay sakafo aroson’ny olona ny mpitory teny rehefa mivahiny amin’ny toerana iray. Ary na tsy sakafo aza, dia izay aroson’ny olona vokatry ny fony, fa tsy an-tery na vozonana, na rahonana, na hanaovana fanentanana sy teny an-kolaka anaty toriteny amin’ny radio sy fahita lavitra na an-tsehatra.

 

  • “Izay mitory ny filazantsara dia ahazo fivelomana amin’ny filazantsara” 1 Kor 9:14, “aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary” 1Tim 5:18

Fivelomana amin’ny filazantsara no voasoratra fa tsy hoe amin’ny ondry, na amin’ny mpivavaka, na amin’ny mpiangona ka ho terena ny mpiangona hanefa mihoatra izay zakany, ary tsy zavatra vokatry ny fony fa vokatry ny fandrahonana sy ny tahotr’izy ireo ny ozona, na teny maharary ataon’ny mpitondra fivavahana azy. Ny filazantsara dia tsy iza fa Jesosy Kristy. Jesosy miasa amin’ny fomba mahagaga tsy takatry ny saina hamelomana ny mpanompony, satria ny mpanompy dia mihoatra lavitra ny voro manidina sy ny zava maniry eny an-tsaha izay velona tsy amin’ahiahy. Hoy ny voasotra : Aoka ny sainareo tsy ho amin’ny fitiavam-bola fa mianina amin’izay anananareo…Izaho tsy ahafoy anao na handao anao akory. Jesosy no miantoka amin’ny fombany hamelomana tsara ny mpanompony araka ny sitrapony fa tsy amin’ny famoretana sy fangatahana vola aman-karena any amin’ny ondry.

Nanambara Paoly fa azony natao tsara ny maka vola, maka zavatra any amin’ireo korintiana izay nitoriany teny saingy SANATRIA aminy raha hanao izany mba tsy hisy sakana ny filazantsara. Ary namehezany azy dia hoy izy hoe : ” raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara” 1 Kor 9:18…”izany no valim-pitiako”. Izany hoe ilay fomba ataon’ny mpitarika fivavahana amin’izao izay manentana be mba hanomezana vola azy, manao fomba maro hanerana ny olona hanome, mandrahona sy miteny ratsy olona raha tsy manome dia tsy ara baiboly velively ary sakana ho an’ny filazantsara. Mitarika ratra, alahelo, tahotra, geja ho an’ireo ondry. Nomena mamaim-poana ianareo, dia mizarà maimaim-poana hoy ny voasoratra. An-tsitrapo sy am-pitiavana no tokony hanohanana ny mpanompon’Andriamanitra fa tsy sanatria ho amin’ny alahelo sy ny tahotra.

 

  • “Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’ izay mampianatra” Gal 6:6: ekena izany fa ara baiboly, saingy ny fanerena ny olona hanome no tsy mety fa hoy ny voasoratra : “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra” 2 Kor 9:7, ary “araka ny sitrapony ihany, no nanomezany” 2Kor 8:3.

 

Hevi-diso, mifanohitra tanteraka amin’ny Baiboly ny hoe “satria ianao tsy manao rakitra be, tsy manao raki-boady, tsy mandoa faha folon-karena dia izay no maha be olana anao”. Na koa ny hoe “satria tsy mandeha am-piangonana ianao (andeha any am-piangonana aiza moa aho, izaho no fiangonana, izaho no tempolin’ny Fanahy Masina, izaho no trano fanahy, tranon’Andriamanitra), tsy manao asan’Andriamanitra, tsy mandray anjara mavitrika ao amin’ny sampana dia izay no tsy mampilamina ny fiainanao.”

Inona ny hafatra ambaran’ny Filazantsara? “omeo ny fahafolon-karena dia ho tahiana ianao” ? “manomeza vola ho an’Andriamanitra dia ho tahiana ianao” ? “tongava amin’ny fivoriam-bavaka isaky ny alahady fa andro spéciale io hitahiana anao” ? “tongava miaraka amin’ny vokatra izay foinao ho an’Andriamanitra mba hitahian’Andriamanitra anao” ? “tongava amin’ny fotoam-panafahana fa handray ny hosotra sy ny hery ianao hamahana ny olanao, hisy fanosorana diloilo manokana avy any afrika atsimo ho anao” ? , sns…? Izany ve no hafatra? TSIA.fitaka, fandriky ny devoly izany! Ny hafatra dia hoe “mibebaha ianao hamonoana ny fahadisoanao. Miainà amin’ny fahamasinana sy ny tahotra an’Andriamanitra” “Minoa an’i Jesosy Tompo dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao”.

Ny olana dia tsy hoe resaka vola, na hoe tsy fanaovana adidy, sy ny hoe tsy fankanesana any an-toeram-pivavahana, na koa ny hoe tsy fidirana amin’ny sampana hiasa ho an’Andriamanitra. Tsy hoe ny tsy fanaovana ireo sy izay toy ireo no mahatonga ny olana sy mahatonga ahy tsy ho voatahy. Ny olana dia ny OTA, ny ota mbola ankafiziko, ny ota tsy foiko ary mbola ataoko, izay ny olana. Ny olana dia ny tsy fanekeko hibebaka ahazoako ny famelan-keloka ahatonga ahy ho vita fihavanana amin’ny Ray hananako ny fiainana mandrakizay sy iantohan’ny Ray ny fiainako eto an-tany, mba hoe tanteraka amiko ilay hoe “ny zanako sy ny asan’ny tànako dia aoka ho adidiko ihany”. Andriamanitra tsy mihaino ny vavaky ny mpanota fa ny vavaky ny marina no henoiny : “ny mason’ Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy, ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina ary ny sofiny mihaino ny fitarainany”. Hialao ny fampirafesana, ny fangalaram-badin’olona, tiavo sy hajao ny vadinao, ary aoka ho mahatoky ianao, ho tokam-po ho azy ianao. Atsaharo ny fijangajangana, ny tokantrano imaso, ny halatra amin’ny endriny maro samihafa, ny “tia tia kely”. Ajanony ny taratasy sandoka, ny hosoka rehetra izay heverinao fa tsy maintsy atao mba ahavitanao aingana sy tsara ny raharaha. Mety ho vita tsara sy aingana ny raharaha fa mihidy aminao ny lanitra ary ariana any amin’ny helo ianao. Aleo mandeha amin’ny fahamarinana dia ankasitrahan’Andriamanitra toy izay ao anaty lainga sy kolikoly, tsy ankasitrahan’Andriamanitra: “inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza kanefa very ny ainy?”. Ataovy marina ny mizananao raha mpivaotra ianao. Ho anao mpivarotra, ajanony ny fivarotana toaka, paraky, sigara, raha te ho ankasitrahan’Andriamanitra ianao. Fa anisan’ny mandray anjara amin’ny fandefasana ny olona any amin’ny fahaverezana ianao raha toa ka mivarotra toaka, sigara, paraky,sns…Ny fialonana sy ny fankahalana ary ny fiha tsarambelatsihy amin’ny endriny maro dia mila ialàna avokoa raha te ho ankasitrahana. Ekeo ny fahadisoana, ny maha mpanota anao ary manatona an’i Jesosy ho fanafahana sy famonjena anao. Santionany amin’ny karazam-pahotana izany fa ny Fanahy Masina anie hibitsika aminao raha mangetaheta marina ny ihaina araka ny sitrapon’Andriamanitra ianao.

Ny ahavitanao hiala amin’ny fahotana dia satria maty Jesosy ary nitsangana tamin’ny maty. Ny FINOANAO an’izay fahamarinana izay sy ny famelan-keloka ao Aminy sy ny Fanamarinany maimaim-poana no takiana aminao. Tsy avy amin’ny asa, tsy avy amin’ny ezaka ataonao fa noho i Jesosy, Izy tokana ihany, izay namotika ny herin’i Satana, mba ahafahanao manompo Azy, miaina araka ny sitrapony. Izany no fahagagana, izany no fahamarinana. Rehefa tafahaona amin’i Jesosy marina ianao ka mandray Azy, manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy tokana amin’ny fiainanao dia tonga zanaky ny Ray (Jao 1:12), afaka amin’ny fahotana, afaka amin’ny gejan’ny ota, tsy andevon’ny ota intsony. Lasa olona tsy mahay manota, tsy tia heloka, tsy tia tsy fahamarinana. Niova ho olom-baovao , zanaky ny Fahamarinana ary mpanao ny marina.

Amin’izay fotoana izay ianao vita antoka ny fiainanao na ny eto an-tany na ny any an-koatra satria tonga zanaky ny Ray ianao noho ny FAHASOAVAN’ ny Ray sy noho ny FINOANAO an’i Jesosy, feno fitahiana sy fifaliana lalandava ny fiainanao satria zanaka tiana, ankohonan’Andriamanitra noho ny nataon’Andriamanitra, fa tsy noho ny fahafolon-karena nalohanao tsy tapaka (ozona ho anao izany raha toa ka mbola miziriziry manao izany ianao noho ny lalàna sy noho ny tahotra olona), na nidiranao fiangonana, na ny maha mpandray fanasan’ny Tompo anao, na maha “chorale” anao, maha pasitera na maha mpiandry anao, sy maha tompon’andraikitra ara-pivavahana anao, sns….asa ety ivelany avokoa izany fa ny zava-dehibe eo imason’Andriamanitra dia ny fiovàna ao anaty.

Ny Fanahy Masina mikasika sy manazava anao. Fantatrao ny Marina, ny Marina manafaka anao tsy ho andevo! Tsy ho adevon’ny ota, tsy ho andevon’ny olona, tsy ho andevon’antokom-pivavahana sy fombafombam-pivavahana! Olon’afaka, zanaka tiana, zanaka tian’ny Ray.

Raha dinihintsika tsara ilay teny ao amin’ny Efesiana voalaza tetsy am-piandohana dia zavatra efa vita avokoa ireo voasoratra . Mbola tsy hary akory ah odia efa vita ny famonjena ahy, efa vita ny fitahiana ahy. Rehefa teraka aho ary ambara ahy ireo fahamarinana iore dia misokatra ny masoko ka mandray izany amin’ny finoana aho! TSy misy asa na ezaka ataoko intsony fa dia ny Mitia, misaotra, mankalaza an’i Jesosy lalandava no ataoko!

Efesiana 1 : 3-7  3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,5 rehefa notendreny rahateo amin’ ny fitiavana isika mba ho Azy [Na: amin’ ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika] amin’ ny fananganan-anaka amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ ny fony,6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ ny Malala.7 Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ ny fahasoavany.

Fantaro fa ny zava-drehetra dia omen’Andriamanitra ny malalany na dia matory azy izy .Salamo 121: 2 ”Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy”. Aleloia!

Maimaim-poana ny famonjena!

FIVORIANA SY FAMPIANARANA : Alahady maraina @ 9 ora eo analanelan’ny « Ecole Française Ambohibao » sy ny « Collège Les bambinos », vavahady gris