Biby madio sy biby maloto hoe?

“Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata”  Kolosiana 2:16 -17

Voalohany tokony fantatsika amin’ny izao andro ankehitriny izao fa ny famonjena dia avy amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy irery ihany fa tsy avy amin’ny lalàna velively. Maro ny andinin-tSoratra Masina  milaza an’izany ao amin’ny Baiboly.

“Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ny finoana, no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. » Romana 4:13

« Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan’ny lalàna. » Romana 3:28

« Nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalànaGalatiana 2:16

« Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra.» Efesiana 2:8

« Koa fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama. » Galatiana 3:7

 

Maro ny olona no mieritreritra fa rehefa,  mandoa ampahafolo-karena, mitandrina ny andro sabata, na tsy mihinana ny izao na izaroa, dia midika fa voavonjy, tsy izany ny voasoratra, fa ny fanamarinana antsika dia avy amin’ny alalan’I  Jesosy Kristy irery ihany.

Ireo mpino tao Galatia dia noresahan’i Paoly manokana, momban’ny fanarahana ireo lalàna,  satria ny galatiana dia tsy jiosy aloha voalohany fa jentilisa, izany hoe tsy nanana ny lalàna tahakan’ny Jiosy na ny fombafomban’ny Jiosy. Rehefa tonga i Paoly nitory ny finoana tamin’ny alalan’ny toriteny, dia nibebaka izy ireo, ary voasoratra mihitsy fa nandray ny Fanahy Masina. Nandeha anefa ny fotoana dia GAGA i Paoly fa misy ireo izay miverina mitandrina ny lalàn’ny Jiosy, araky ny voasoatra hoe :

“Ry Galatiana adala, iza no nanimba (Gr:mamosavy) anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’i Jesosy Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana?  Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana? Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ny nofo va ankehitriny? Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany? Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ny asan’ny lalàna va izany, sa avy amin’ny fitoriana ny finoana. Dia tahaka an’i Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany. Koa fantaro fa izay amin’ny finoana no zanak’i Abrahama.” Galatiana 3:17

 

Marina io tenin’ny Paoly io, tadidio, isika koa  tsy nohon’ny nitandramantsika ny sakafo maro samy hafa, na andro izao, na ampahafolo-karena no nahavoavonjy antsika sy ny nandraisantsika ny Fanahy Masina, fa ny fitoriana tenin’ny hazofijaliana, ary rehefa nibebaka isika (izay asan’ny Fanahy Masina) dia teo no eo dia nandray ny Fanahy Masina, nateraka indray, ary tonga zanak’Andriamnitra sy nahazo fanomezam-pahasoavana maro samy hafa. Dia izay no tian’i Paoly hamafisina eto. Fa maro ny olona rehefa nanomboka tamin’ny Fanahy dia mifarana amin’ny nofo, ka miezaka ny mitandrina ny didin’ny Jiosy indray izay voalazan’i Paoly mihitsy hoe : “Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’i Kefasy teo anatrehan’ny olona rehetra : Raha ianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny jentilisa, fa tsy tahaka ny fanaon’ny Jiosy, nahoana ny jentilisa no terenao hanao tahaka ny fanaon’ny Jiosy?  Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ny jentilisa. Nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna.” Galatiana 2:14-17

 

Rehefa maty Jesosy Kristy dia rava ireo didy aman-dalàna  momban’izay fisoronana sy ny tempoly (raha mandinika ny tantara isika dia mandrak’androany dia tsy misy Tempoly intsony ao Jerosalema fa rava efa ho 2000 taona izay), fa tsy ny didy ara-moraly akory no rava toy ny hoe : aza mijangajanga, aza mamono olona, sns…., izay mbola mitombona foana ankehitriny araky ny tenin’ny Paoly tahaka ny hoe “mandosira ny fijangajangana” 1 Kor 6 : 18. Misy manko olona miteny fa rava koa ireny didy ireny, TSIA. Ny didy momban’ny fisoronana sy ny tempoly no rava, fa ny didy ara-moraly mitombona foana. Efesiana 2:15 “ fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana”.

 

Momba ny biby maloto sy biby madio.

Raha mamaky ny tantaran’i Noa isika,  tamin’ny andro nivoahan’i Noa ny sambo fiara, dia izao no voasoratra  Genesisy 9:3 “ Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.” Eo Andriamanitra tsy niteny mihitsy hoe ny biby madio ihany no fihinana, fa ny biby mihetsiketsika rehetra hoy Izy dia azo ho hanina avokoa. Voalaza anefa fa nangalan’i Noa 7 avy ny biby madio ary 2 avy ireo biby maloto araky ny voasoratra hoe  : “Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy.” Genesisy 7:2

Midika ve zany fa tsy voavonjy i Noa satria voasoratra fa ny biby rehetra dia azony ho hohanina avokoa ? Maloto ve zany izy? TSIA.

Taonjato maro taty aorina izay vao nisy ny lalàna nampisaraka ny biby madio sy ny biby maloto, izay niseho tamin’ny andron’i Mosesy. Ny antony, satria 430 taona ny Israely nifangaroharo tao Egypta, miray fomba, miray hevitra, miara-monina, izany hoe  mifangaroharo. Ary rehefa nesorin’Andriamanitra nivoaka avy tao Egypta ry zareo, dia tsy maintsy misy ny fisarahana, io fisarahana io  (séparation na koa  sanctification), no anisan’ny antony nanomezan’Andriamanitra ny lalàna afahan’ny zanak’Israely manavaka izay maloto sy madio. Izay ny mahatonga an’Andriamanitra,  araky ny lalàn’ ny Jiosy  ihany, fa tsy mahazo mitambatra amin’ny firenena hafa ny zanak’Israely (na manao fanekena aminy na maka vady), tsy mahazo manao ny fanaony, tsy mahazo mampiasa boriky sy omby miaraka hiasa tany, tsy mahazo manafangaro lamban’akanjo karazany roa  fa iray ihany, tsy mahazo mamboly voa-javatra roa samy hafa sns…..

Izany hoe ireny lalàna nataon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Israely ireny,  dia midika fa ny zanak’Israely dia voatokana ho an’Andriamanitra, ary ny heviny ara-panahy ankehitriny dia  isika kristiana koa dia tokony hanamasi-tena, tsy mifangaroharo amin’ny izao tontolo izao sy ny fomban’izao tontolo izao (Egypta)  sns, fa olona voatokana, miavaka amin’ny fanao,  amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny madio sy ny maloto. Voasoratra fa mpitaiza Gal 3:24, ihany mandrapaha-tonga izay tanteraka ny lalàna hoy i Paoly, ary tsy araky ny nofo fa araky ny Fanahy, araky  ny vosoratra hoe : Romana 7:14a “ Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna” ary koa : Romana 8:4 “mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. »

 

Tandindona avokoa ireny lalàna ireny fa ara-panahy ao amin’i Jesosy Kristy no dikany amin’ny zavatra rehetra. Kolosiana 2:16 -17 “Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’i Kristy.”

 

Indray andro i Petera nahita fahitana, momban’ireo biby maloto araky ny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:10-16:  “ Dia noana loatra izy ka te-hihinana; fa raha mbola natao ny nahandro, dia azon-tsindrimandry izy ka nahita ny lanitra misokatra, sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany; ary tao anatiny nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka ety an-tany ary ny voro-manidina. Ary nisy feo nanao taminy hœ: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. Fa hoy Petera: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio aho. Fa hoy ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady. Ary intelo no nanaovana izany; dia nakarina tany an-danitra niaraka tamin’izay ilay zavatra.”

 

Raha manohy mamaky an’io tantara io ihany isika, dia voalaza fa nieritreritra ny amin’ny antony fahitana  i Petera, ary dia voavaliny ihany ilay fanotaniany  araky ny voasoatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:28-29, milaza hoe : “Dia hoy izy taminy: Hianareo mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hanan-draharaha na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hœ fady na tsy madio. Ary amin’izany dia tsy nandà tsy hankaty aho, raha nampanalaina; koa manontany aho: Ahoana moa no nampanalanareo ahy? ”.

Raha tsorina, ilay biby maloto izay hitan’i Petera tamin’ny fahitana, dia olona hafa firenena, ankoatran’ny Jiosy, izay ny “Révélation” ara-panahy eto. Nanomboka teo izany dia rava ilay lalàna misy fampisarahana amin’ny hafa firenena , fa na Jiosy na Jentilisa dia samy voavonjy avokoa.

Torak’izany ihany koa tamin’ny  safo-drano,  dia nisy biby maloto (hafa firenena), sy ny biby madio (Jisoy) izay samy voavonjy nandritran’ny safo-drano, izay tandindon’ny famonjena ao amin’ny Jesosy Kristy (sambo fiara).

Haka ohatra vitsivitsy isika, hanazava ara-panahy  ny heviny tian’Andriamanitra ampianarina momba ny biby madio sy maloto.

Ny  biby madio dia voalaza fa : “Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.” Levitikosy 11:3. Raha toa ka tsy ampy ny iray amin’ireo (na mandinika fotsiny, na mivaky kitro fotsiny) dia voalaza fa maloto.

Inona moa ny kitro amin’ny biby, dia izay ipetahan’ny tongony amin’ny tany, izany hoe afahany mandeha, ny Tenin’Andriamnitra dia milaza fa mila misaraka tsara,  izany hoe ara-panahy dia  olona mahay manavaka tsara izay lalana handehanana, olona tsy misabaka, olona mahay manasaraka ny mazava sy ny maizina, mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ao anaty fisarahana amin’izao izao tontolo izao, ny fombafomban’izao tontolo izao, ao anaty fahamasinana. Fa raha mitambatra kosa  ny kitrony dia  azo adika ara-panahy ihany koa fa  : olona tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, olona ao anaty fifangaroana, tsy miaina ao anaty fahamasinana, olona ao anaty marimaritra iraisana, miray saina, miray fomba amin’izao tontolo izao.

Ny dikan’ny hoe mandinika indray dia anisan’ny voasokajy madio. Ohatra : ny ondry, ny osy, omby sns, izay  tsy mihinana afa-tsy bozaka ihany, izany hoe sakafo iray ihany, ary mandany fotoana ela hitsakotsakoana tahaka ny omby ohatra, izany hoe ara-panahy dia olona tsy mihinana sakafom-panahy mifangaro, fa iray ihany, dia ny Tenin’Andriamanitra tsy misy kilema, olona  mazoto mandinika sy mitsakotsako tsara ny Teny fa tsy manao teli-moka. Ny mifanohitra amin’ireo dia ny biby hafa izay mihinana karazan-javatra maro samy hafa (raha haka ohatra isika ny kisoa izay mihinana ny zavatra rehetra), dia tahakan’ireo kirisitanina misabaka, mandray teny avy atsy sy avy eroa, ao ireo manampy Tenin’Andriamnitra ao ireo manaisotra, ao ny mihaino ireo Tenin’olombelona, mihinana sakafo maloto avy amin’ireo mpaminany sandoka maro samy hafa ankehitriny.

Tsy Mampahaloto ny Olombelona ny sakafo

Voasoratra ao  amin’ny Marka 7:14-23: “ Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hœ: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Ary rehefa niala teo amin’ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin’izany fanoharana izany. Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan’ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin’ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin’ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin’ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalanaizany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy. »

 

Mazava ny Tenin’i Jesosy Kristy Tompo eto, fa tsy izay miditra ao amin’ny vava (sakafo) no mahaloto, fa izay tenen’ny vavany (teny ratsy, fanozonana, endrikendrika, fankahalana, fosafosa,  sns…)  satria  : “ avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” Matio 12:34. Maro ny olona no mifady kisoa, mitandrina ny andro sabata, mandoa ampahafolo-karena, sns…. kanefa tsy mamela heloka, mpijangajanga, mpanao kolikoly, mpandainga sns… dia tahaka ny Fariseo, “izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra” Matio 23:27

 

 

Momba ny andro sy ny sakafo :

Voalaza ao amin’ny bokin’ny Romana fa misy ny kristiana no malemy finoana, ao koa ny mahery finoana araky ny voasoratra hoe : “Ny anankiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehatra izy, fa ny anankiray kosa malemy finoana, ka dia mihinana zava-maniry ihany.  Aoka ny mihinana tsy hanamavo ny tsy mihinana; ary aoka kosa ny tsy mihinana tsy hitsara ny mihinana; fa Andriamanitra no efa nandray azy.  Iza moa ianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa? Amin’ny tompony ihany no ijoroany na ahalavoany. Nefa hampitoerina ihany izy; fa mahay mampitoetra azy ny Tompo. Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy izy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an’ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an’ny Tompo, satria misaotra an’Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an’ny Tompo, sady misaotra an’Andriamanitra koa izy.” Romana 14:2-6. Ary koa “Mahalala sady matoky ao amin’i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany.” Romana 14:14

 

Izany hoe na dia  samy ao amin’ny Kristy aza, dia mety samy manana ny fandraisany ny andro sy ny sakafo (sakafo sy andro hoy aho),  izay tsy azo atao ho  fotom-pampianarana momban’ny famonjena (doctrine du salut), fa fandresen-dahatry ny tsirairay araky ny voalazan’i Paoly ihany manao hoe “ Ny finoana izay anananao dia hazòny ho anao eo anatrehan’Andriamanitra. Sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin’izay zavatra ekeny.” : Romana 14:22, ary koa aoka  izy hatoky tsara ao amin’ny sainy avy ny tsirairay. Ohatra raha izaho no resy lahatra fa hifady an’itsy sakafo itsy, tsy ho vesarako an’izany ireo rahalahy hafa, fa tazomiko ahy samirery izany. Ny tsy azo atao fotsiny dia ny mametraka fahatafitohinana eo anoloan’ny hafa, raha misy ohatra rahalahy ao amin’ny Tompo mifady tsy hihinana sakafo anankiray araky ny finoany, ny fandresen-dahany, dia hajaiko izy amin’izay safidiny, fa izay mahery finoana dia tokony hidina hanaraka ireo rahalahy malemy finoana. Araky ny voasoratra hoe: “Aza izay hanina no andravanao ny asan’Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ny olona izay mihinana amin’ny fahatafintohinana.” Romana 14:20.

 

Nisy fotoana ihany koa,  nisy ady hevitra lehibe teo amin’ny mpianatra momba ny famorana,sy ny fitandremana ny lalàn’i Mosesy, hitantsika izany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15.Ao ny sasany miteny fa tokony hoforana avokoa ny jentilisa rehetra, ary tokony hanaraka ny lalana’i Mosesy araky ny voasoratra hoe: Asan’ny Apostoly 15:1;5 “ Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon’i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena. Fa ny mino sasany, izay isan’ny antokon’ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hœ: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn’i Mosesy.” Izany hoe raha tsorina, dia nisy ireo mpino tamin’izany nilaza fa tokony ho forana sy tokony asaina mitandrina ny lalàn’ i Mosesy ny jentilisa. Koa rehefa nisy ady hevitra lehibe teo amin’ny mpino tamin’izany fotoana, dia nitsangana i Petera namaly sy nampitsahatra ny fifandirana, ary mbola namafisiny ihany koa fa finoana no hanamarinana ary tsy tokony asiana zioga mavesatra intsony amin’izao vanim-potoanan’ny fahasoavana izao, araky ny vosoratra hoe : Asan’ny Apostoly 15:7-11  “Ary rehefa nisy ady hevitra be ihany, dia nitsangana Petera ka nanao taminy hœ: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ny ela Andriamanitra dia efa nifidy teo aminareo fa amin’ny vavako no handrenesan’ny jentilisa ny tenin’ny filazantsara ka hinoany. Ary Andriamanitra, Izay mahalala ny fo, dia vavolombelony tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa; fa tsy nataony misy hafa isika sy izy, fa nodioviny tamin’ny finoana ny fonyKoa nahoana ianareo no maka fanahy an’Andriamanitra amin’ny fametrahanareo zioga amin’ny vozon’ny mpianatra, izay tsy zakan’ny razantsika na isika ho entina? Fa mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.” Ary mbola manamafy izany ihany koa ny teny manao hoe : “Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ny jentilisa izay miverina ho amin’Andriamanitra”, ary nanoratra Epistily izy ireo ho any amin’ny jentilisa izay milaza mihitsy fa : “ Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.” Asan’ny Apostoly 15: 28-29. Tsy misy tao fampitandremana ny lalàn’i Mosesy na iray aza, tsy nisy ampahafolo-karena nasaina naloa, biby na andro ho tandremana sns…

 

Farany nisy fotoana Jesosy Kristy Tompo nandeha tany amin’ny faritan’ny Gadarena, hitantsika izany ao amin’ny Lioka 8: 26-38, izay faritan ’ny jentilisa, satria ny mponina tao dia miompy kisoa, tsy jiosy ry zareo (ny jiosy tsy miompy kisoa),  ary voasoratra fa maro ny kisoa andiany izay nambenan’ny tompony. Rehefa niasa ny Tompo, ary sitrana ilay demoniaka, dia naniry ny hanaraka an’i Jesosy izy, nefa hoy ny Tompo taminy : “Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’Andriamnitra taminao.” lioka 8 :39, Jesosy tsy niteny taminy intsony hoe aza miverina ao an-tanàna intsony, satria nareo miompy kisoa, mivarotra azy sy mihinana sns…, TSIA, satria izay ny fomba eo an-tanànany amin’ny tsy maha –jiosy azy, izay tsy nataon’i Jesosy ho sakana tamin’ny famonjena. Ny antony tsy nahatongan’i Jesosy hanaiky ny hiarahany taminy ihany koa, dia mbola tsy vita ny famonjena ary mbola teo ny lalàna, izay mandrara ny jiosy hifangaroahro amin’ny hafa firenena. Tokony ho fantatsika ihany koa fa  nandritran’ny fahaveloman’i Jesosy Kristy, dia nitandrina ny lalàna Izy, ary teraka tao ambany lalàna araky ny voasoratra hoe Galatiana 4:4 “fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna”. Izay ny mahatonga an’i Jesosy Kristy rehefa misy boka sitrana ohatra dia teneniny hoe : “mandehana misehoa amin’ny mpisorona” Matio 8 :4 satria araky ny lalàna ihany rehefa misy boka sitrana dia tsy maintsy miseho amin’ny mpisorona ary mitondra fanatitra (levitikosy 14).

Fehiny

Voasoratra ao amin’ny 1 Korintiana 8:8-9: “ Fa ny hanina tsy hampaninona antsika amin’Andriamanitra; fa na dia tsy homana aza isika, dia tsy matiantoka, ary na dia homana kosa aza isika, dia tsy mahazo tombony. Nefa tandremo, fandrao izany fahafahanareo izany ho tonga fahatafintohinana ho an’ny malemy.”

Romana 14:17: “Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.”

 

FIVORIANA SY FAMPIANARANA : Alahady maraina @ 9 ora eo analanelan’ny « Ecole Française Ambohibao » sy ny « Collège Les bambinos », vavahady gris