Ampy ho anao ny fahasoavako (2 Kor 12 :9)

Fampaherezana manoloana ny ady sy ny fitsapàna, fizahan-toetra izay TSY MAINTSY lalovana. Aza gaga raha iharan’ny fizahan-toetra mahamay raha tsy maintsy hisy izany: 1Petera 4/12 : « Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany ». 1Petera 1 :6 : « Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ ny fakam-panahy maro samy hafa aza hianareo, raha tsy maintsy hisy izany » .Isaia 55 :8-9 : « Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, Ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.9 Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany no hahavon’ ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo». Tsy hoe milamina foana rehefa ao amin’ny Tompo. Misy fanefena, fanamboarana, famolavolana mba hitovy amin’i Jesosy isika, mba hitovy endrika Aminy (Rom 8/29), mba ho voaforona ao aminareo Kristy (Gal 4/12), mba ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy (Efe 4/13). Misy fanadiovana, sedraina ny volamena, tsy mora ny fisedrana, afo mamay no ampiasaina. Volavolaina ny tanimanga eo am-pelatànanan’ny mpanefy, misy sedra maro be ao mandra pivoakan’ilay endrik’ilay mpanefy volamena, mandra-pivoakan’ilay endrika tian’ilay mpamolavola tanimanga ho hita… Hanaiky isika ve sa tsy hanaiky? Fomba maro be no ampiasain’ny Tompo ahatrarana izay tanjona izay. Mihevitra izay tsara ho antsika Izy. Arakaraky ny hirosoako ao amin’ny Tompo no maha be ny fanenjehana, ny fisedrana satria misy zavatra maro tian’ny Tompo ovaina ato amiko ( toe-tsaina, toe-po, fomba fanao, fomba fiteny) satria ireo rehetra eo amiko ireo dia vokatry ny famolavolan’izao tontolo izao sy ny fombany nandritra ny taona maro izay tsy mbola naha tao amin’i Kristy ahy ka tian’ ny Tompo arodana : Matio 15:13 “ Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana”. Asa 14:22: “tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra”. 2Tim 3:12 : “Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina”. Izany no filazantsara. Tantara maro ao amin’ny Baiboly no maneho izany, miha manapa-kevitra hiroso ao amin’ny Tompo aho,  noho izany miha be ny ady. Jao 16:33 : “Ety amin’ zao tontolo izao no ahitanareo fahoriana.”

Mosesy (Eksodosy)

Voafidy, voaantso, voatendry hamoaka ny zanak’Isiraely tao Egypta. Be ny fanoherana nataon’i Farao, Andriamanitra mihitsy no nanamafy ny fony MBA HANEHOANY NY VONINAHINY. Tsy nahazo niala nefa Mosesy fa tsy maintsy niroso, tsy novain’Andriamanitra ny zavatra nolàlovana fa Izy no nanome hery nahafahana niatrika sy nisedra izany. 1Kor 10:13 : “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka TSY HAMELA anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana ahafahanareo koa mba ahazakanareo izany.”

Ny ranomasina mena no fara tapony ho an’i Mosesy…Nanafaka azy hatrany Andriamanitra tamin’izay zava-tsarotra tsy maintsy nolalovana, anisan’izany ireo fanoherana maro nataon’ireo olona nentiny. Ampy ho an’i Mosesy ny fahasoavan’ny Ray, tsy mba namela, tsy mba nandao azy Izy na oviana na oviana.

Sadraka, Mesaka, Abed Nego (Daniela 3)

Tsy hoe nilamina be ny fiainany rehefa nanapa-kevitra ny ho an’Andriamanitra sy hankato Azy izy ireo. Ny mifanohitra amin’izay aza no hita. Niafara tamin’ny fandefasana azy ireo tao anaty lafaoro mirehitra , mafana, mamay im-pito avo eny noho ny mahazatra! Tsy azo nialàna ny afo fa tsy maintsy nidirana fa notanterahin’ny Tompo ny Teniny hoe raha mamaky ny afo dia tsy ho may, Isa 43 : 2: “Raha mandeha mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo”. Ampy ho azy ireo ny fahasoavany! Izay ampandalovany ahy tsy ahafaty ahy fa hamolavolana ahy, ary hanehoan’ny Tompo amiko fa Izy no Tompon’ ny teny farany, masin-mandidy, manao izay tiany atao (Sal 115:3 : Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy”). Deraina Izy! Tsy may  izy 3 lahy, tsy may ny volony, tsy maimbo afo izy. Izay ilay “ampy ho anao ny fahasoavako”. 3 izy no natsipy tao fa 4 no hitan’ny olona avy eo ! Matio 28:20: “ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao”. Heb 13:5: « Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory »! Hinoy zay , matokia ny Tompo , marina ny Teniny ary tsy mba mamitaka Izy fa ampy ho anao ny fahasoavany.

Daniela (Daniela 6)

Tsy azo nialàna ny lavaky ny liona, izay no sitrapon’Andriamanitra, fa ny Tompo maneho ny heriny ary mifehy ny zavatra rehetra. Nakombony ny vavany, tsy nihinana an’i Daniela ! Ampy ho an’i Daniela ny fahasovany!

Fa hevero anie ny nanjo ireo izay nanipy tanaty afo sy ireo izay nandatsaka tan-davaky ny liona! Andriamanitra mamaly ny natao! Ahy ny famaliana hoy Izy. Izy hiady ho anao fa ianao hangina! Inona ny niafaran’i Farao sy ny miaramilany nanoloana ny ranomasina mena? Nakombon’Andriamanitra ny ranomasina mena ka dia rendrika tao izy sy ny miaramilany sy ny soavaliny mbamin’ny kalesiny. Na inona na inona nefa toe-java miseho, aza maniry loza, aza maniry ratsy ho an’ny olona, Andriamanitra no avelao hiasa sy hanao araka zay sitrapony! Ampy ho anao ny fahasoavany!

Paoly (2 Kor 12)

Zavatra maro no nianjady tamin’i Paoly,tsy maintsy nolalovany. Jesosy dia efa niteny tamin’ i Ananiasy mihitsy ny momba an’i Paoly hoe: “fa hasehoko azy ny habetsahan’ izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako” Asa 9:16. In-telo izy no nangataka tamin’i Jesosy mba hiàlan’ilay tsilo (2 Kor 12:8,9). TSIA ny valiny hoy Jesosy! Avelao eo ihany ireo fa ampy ho anao ny fahasoavako, hanehoako ny heriko ireo rehetra ireo! mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ny hery (2Kor 4:7)! ny voninahitra! Tao ny kapoka, tao ny tsy fisiana, tao ny mosary,  tao ny fahavakisan- tsambo, tao ny fanenjehan’ny olona, nifofo ny ainy, tao ny loza maro (2 Kor 11:23-30)….tsy nidika izany hoe nanota Paoly. Misy milaza fa matoa ianao be sedra sy ady dia noho ny ota nataonao! tsy voatery ho izany , fa avelan’ny Tompo hisy izany mba hifikirako Aminy, tsy hanadinoako Azy, mba hatoky Azy aho! Tadidio fa na dia tao an-tsambokelin’ny ny mpianatra aza Jesosy dia nisy ny rivotra mahery saika handrendrika! Fa fehezin’ny Tompo ny zavatra rehetra, voalanjalanjany io fa matokia! Aza manao hoe “adinony aho”, na hoe “ampijaliany aho”, na hoe “tena miangatra Izy,..” Tiany ianao ary mahalala izay ataony Izy. Isa 40:27-31: “Nahoana no miteny hianao, ry Jakoba ô, ary milaza hianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?28 Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.29 Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.30 Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;31 Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka”. Ampy ho anao ny fahasoavany! Hevero ny niafaran’ny fiainan’ireo olon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izay nisedra ny mafy fa tsara fiararàna daholo (Jak 5:11: “fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo”)! Tsara fiafara ny anao! Jesosy haka anao, hitsena anao eny ami’ny rahon’ny lanitra! Mandritra ny fandalovanao eto an-tany (tadidio fa mpandalo ianao eto) dia ampy ho anao ny fahasoavany, ny heriny dia tanterahina amin’ny fahalemena!

Jesosy

Nisedra ny mafy tao Getsemane (Lio 22:39-46), niova ho rà ny hatsembohany fa mafy loatra ny nanjo azy! Inona no nataony? Nangataka tamin’ny Rainy mba hanesorana io fotoana mangidy io. Inona ny valiny? tsy nesorin’ny Ray ny kapoaka mangidy ary Jesosy dia nilaza hoe aoka tsy ny sitrapoko anie no atao fa ny anao! Vakio ny tantara fa Andriamanitra naniraka anjely mba hanohana an’i Jesosy tanatin’ny ady mafy izay nolalovany! Ampy ho azy ny fahasoavan’ny Ray! Tsy nesorina ny kapoaka fa nomena fahasoavana Izy ihaina ao anatin’izany! Tsy maintsy mandeha toy izay nandehanan’i Jesosy isika , fa matokia fa ampy ho antsika ny fahasoavany!

Inona no atao manolaona izany?

Manaova toa an’i Jesosy, nivavaka Izy, arakaraky ny naha mafy vaika ny sedra nahazo azy no vao maika mbola niha nampiany ny vavaka! Jesosy aza nivavaka, iza isika no ahajoro raha tsy mivavaka?

Misaora amin’ny zavatra rehetra fa izany no sitrapon’ny Ray ho antsika ao amin’i Kristy Jesosy. Isaory Izy fa ampy ho anao ny fahasoavany. Izany no filazantsara madio tsy misy kilema. Hoy Paoly “toy ny ondry hovonoina no fijery anay” (Rom 8:36). Hoy Jesosy “Izaho maniraka anareo toy ny zanak’ondry afovoan’ny ambodia” (Lio 10:3). Mila ny fahasoavan’ny Tompo isika mba ahery, mba tsy hanotantsika, mba ho masina, mba ihaina amin’ny fahamarinana, mba handresy ny ota, ny fakam- panahy, mba tsy himonomonona fa mba hisaotra kosa amin’ny zavatra rehetra. Tit 2:11-14 : “Fa efa miseho ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,12 mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’ izao tontolo izao ary ho velona amin’ ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra amin’ izao fiainana ankehitriny izao,13 miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ ny voninahitr’ Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy [Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika] ,14 Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany”. Ny fahasoavana dia HERY  entina miaina araka ny sitrapon’Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra miseho sy iainana.

Izany ny filazantsaran’ny fahasoavana, filazantsara tena izy fa tsy toy ny filazantsara sandoka, filazantsara izay mivoana ankehitriny, filazantsara tsy misy olana, filazantsara tsy misy fahoriana, filazantsara mitsoaka ady, filazantsara milefitra amin’ny fahotana , tia fahotana, tsy misy hery sy fahefana handresana ny ota sy ny asan’ny maizina! Tsy toy ny ondry hovonoina intsony no fijery ny mpitondra fivavahana (pastera, bisphop, révérend, monSeigneur…) sy ny mpivavaka ao aminy fa toy ny Filoham-pirenena, toy ny mpanjaka, toy ny talen’orinasa vaventy. Mirentirenty amin’ny materialy, mieobeobo, mireheraha! Manaraka ny fanaon’izao tontolo izao,  manorina eto an-tany, mifikitra amin’ny zavatry ny tany, tsy manana vina ny lanitra intsony, tsy miresaka fahamasinana, tsy miandry an’i Jesosy! Tsy mila ny fahasoavan’ny Tompo intsony, tsy misento ao anaty (mifanohitra amin’ny Rom 8:23 – 2 Kor 5:2-4 izay milaza fa misento isika mba hiverenan’i Jesosy). Sandoka izany filazantsara izany, tsy toy ny ondry hoy vonoina, sy zanak’ondry afoavoan’ny ambodia ny olona ao anatin’izany fa toy ny manampahefana, sy lehibe eto an-tany. Aoka tsy haniry ny ho takaka izany, aoka tsy hanahaka azy, Jesosy alaina tahaka, toy ny ondry ho vonoina no fijery Azy! Sambatra ny malahelo am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra (Matio 5:3) ! tsy malahelo am-panahy intsony ny fijery ireny anaty filazantsaran’ny fananan-karena ireny fa toa manara po amin’ny zavatry ny tany, mihevitra ny tenany ho zavatra, mivelona amin’ny fy fa tsy mivelona amin’ny onony (2Petera 2:13)! Fa ho anao kosa , raha te handova ny fanjakan’ny lanitra ianao, aoka ho malahelo am-panahy ary hiantehitra amin’ny fahasoavan’ny Tompo mandrakariva. Ampy ho anao ny fahasoavany! Hiankina aminy zato isan-jato anie ianao!!! ary hilaza hoe “ampy ho ahy ny fahasoavanao Jesosy o! Maranata!”

FIVORIANA SY FAMPIANARANA : Alahady maraina @ 9 ora eo analanelan’ny « Ecole Française Ambohibao » sy ny « Collège Les bambinos », vavahady gris